Nihazo ny any Atsimo Atsinanana, tany Farafangana, ny filoha teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, omaly. Mazava ny hafany. “Antony niverenako sy hijoroako ankehitriny ny hitondra fanantenana vaovao ho an’ireo very hevitra sy diso safidy”, hoy izy. Notsiahiviny fa tanàna manana ny maha izy azy i Fararafangana. Betsaka ny fotodrafitrasa fototra sy fiahiana ny sosialim-bahoaka nataon’ny HVM tao an-toerana tamin’ny fotoana nitondrany. Hita anefa amin’izao fotoana izao fa miaina anaty fahoriana lalina ny vahoaka. “Simba ny fiharian-karena, mitotongana ny farim-piainana. Tsy misy ny asa fototra afaka tena hivelomanareo”, hoy ihany izy.
Na eo aza anefa izany, nambarany fa mahavelombolo azy ny nahita fa anisan’ireo vahoaka mino ny tsy maintsy mbola hisandratan’i Madagasikara ny any an-toerana. Mbola hisandratra ny fiainanareo ary afaka handroso i Farafangana, araka ny nambarany.
Tsiahivina fa samy nigadona any Ankaramalaza, toby fifohazana izy sy ny filoha teo aloha, Ravalomanana, omaly alina.
Synèse R.




