Masoivoho vaovao efatra no nanolotra ny taratasy fanendrena azy ho ambasadaoro eto Madagasikara tamin’ny filoha Rajoelina, teny Iavoloha, omaly. Teo ny maisovohon’ny fanjakan’i Arabie Saoudite, ny Repoblikan’i Seychelles, ny fanjakan’i Belgique, ny Repoblikan’i Congo.
Masoivohon’ny fanjakan’i Arabie Saoudite, ny Sem Fahd Abdullah Fahd Aleisa. Efa misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Voaresaka ireo tetikasa vatsian’ny tahirim-bola saodianiana ampandrosoana an’i Madagasikara. Faly amin’izay efa fisian’ny fiaraha-miasa izay izy, ary hitondra ny anjara birikiny hanatsarana izany. Eo koa ny fanatsarana ny fifandraisan’ny firenena roa tonta.
Noresahin’ny masoivohon’i Seychelles, ny Sem Claude Morel, kosa ny tokony hiara-miasa amin’ny fampanjakana fandriampahalemana an-dranomasina noho ny fisian’ny jono tsy ara-dalàna. Eo koa ny fanondranana sy ny fihanaky ny zava-mahadomelina. Mendrika alain-tahaka ny paikadin’i Madagasikara iadiana amin’izany. Azo ifanakalozana sy hiaraha-miasa koa ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fampiroboroboana ny fizahantany… Fantatra fa delegasioana mafonja no hoavy amin’ny lalaon’ny Nosy, indrindra amin’ny lanonam-panombohana.
Masoivohon’i Belzika, ny Sem Peter Maddens. Fantatra fa marin-toerana ny fifandraisana eo amin’i Belzika sy i Madagasikara. Hohatsaraina sy hohamafisina lalindalina kokoa izany, indrindra eo amin’ny fiaraha-miasa diplaomatika. Voaresaky ny roa tonta ny firosoana ho amin’ny fanatanterahana ny tetikasa famatsiana herinaratra eto Madagasikara izay vatsian’ny sehatra tsy miankina belza.
Farany, ny masoivohon’i Congo, ny Sem Serge Bounda. Nifampiresahana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa. Ilaina sady tombony ho an’ ny filohan’ny firenena roa tonta ny maha samy tompondakaamin’ny ezaka aty Afrika ka ilaina ny hanamafisana izany, araka ny nambaran’ny ambasadaoro. Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny lafiny eo amin’ny Tafika, amin’ny fanofanana teratany Kongoley any amin’ny akademia miaramila, Antsirabe.
R. Nd.




