Hotanterahina ao amin’ny kianjan’i National de Lubango, ny 7 septambra ho avy izao ny fihaonana miverina eo amin’i Angola sy i Madagasikara.
Marihina fa andro farany amin’ny fifanintsanana “Can Côte d’Ivoire 2023”, taranja baolina kitra, ity lalao hatao ity. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. Amin’ny 5 ora hariva any an-toerana (amin’ny 7 ora hariva eto amintsika) no hanombohan’ny lalao.
Mbola manala vela amin’i Angola i Madagasikara. Tsiahivina fa indimy nifanandrina ny roa tonta, nahazo fandresena tokana i Angola raha toa ka ady sahala avokoa ny ambiny. Tsara marihina fa nisaraka ady sahala 1 no ho 1 ny Barea de Madagascar sy ny Palanças Negras Angola, ny 6 jona 2022 lasa teo, tamin’ny lalao mandroso.
Ankoatra izay, tsara ny mampahatsiahy fa tsy raikitra ny lalao ara-pirahalahiana, saika hatao etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny 15 aogositra ho avy izao. Tsy afaka ny hitsapa amin’ny Barea de Madagascar ny les Harambee Stars Kenya. Anton’izany ny fahamaroan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenen’i Kenya hiatrika ny fifaninanana isan-tarika aty Afrika miaraka amin’ny kliobany. Ankoatra izay, raha tsy misy ny fiovana dia mitsahatra amin’io lalao hihaonan’i Angola sy i Madagasikara io ny fitondran-dRakotondrabe Romuald Felix na Rôrô, ny Barea A.
Fitia




