Minisitry ny Atitany: “Mila drafitra ny fampandrosoana”

“Misy ny fitenenana hoe tsy misy fampandrosoana va­nona, raha tsy misy ny fanaovana drafitra maro samihafa.” Io no fanazavan’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, i Toke­ly Justin, tany Bealanana, faritra Sofia, afakomaly, tamin’ny fanombohana ofisialy ny famolavolana drafitra fanajariana ny kaominina amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana miabo. Zava-dehibe amin’ny fitsinjaram-pahefana izany, fa sori-dalana amin’ny fampandrosoana ifotony hahazoana ny drafitra fa­najariana kaominaly.
Ho an’ny kaominina 19 ao amin’ny distrikan’i Bealanana ny atrikasa. Mahakasika ny sehatra rehetra eo amin’ny fampandrosoana ny fitsinjaram-pahefana. Betsaka ny kaominina manerana an’i Madagasikara efa nahavita sy hahazo an’izay drafitra fanajariana kaominaly izay. Amin’ny alalan’ny famatsiam-bola miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka izany, tsy maintsy hotohizina mba ho maro ireo kaominina hahazo azy. Hitondra ho amin’ny fampandrosoana sy ny fitsinjaram-pahefana miabo izao fanaovana fanajariana kaominaly izao.

R. Nd.

Partager sur: