Razafindradiaso Josia Francklin: “Fahavitan’ny lalana no vahaolam-piainana ao Marolambo”

Tsy misy distrika hadino amin’ny fampandrosoana? Na tany lavitra fanjakana foibe… Maro olana i Marolam­bo: delestazy, vidim-piaianana…. Fahavi­tan’ny lalana no vahaolam-piainana, raha ny nambaran-dRazafin­dradiaso Josia Francklin. Fane­hoam-pijery…

“Ny fahavitan’ny lalana no heverin’ny mponina fa vahaolana amin’ny fiainana ankapobeny. Raha vita ny lalana, mihena ny vidim-piainana. Mampisokatra kokoa ny fomba fijerin’ny mponina izay”, hoy ny mpikamban’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni (CLRE), distrikan’i Marolambo, faritra Atsinanana, Razafindradiaso Josia Francklin. Olana ny fahara­tsian-dalana, tokony hojeren’ny fanjakana akaiky. Misy ny hoe fanamboaran-dalana, nefa nijanona enina na valo volana izay.
Roa na telo andro ny kamiao vao tonga amin’ny lalana 130 Km, mampitohy an’i Mahanoro sy i Marolambo. Zara raha misy kamiao iray isam-bolana. Rehefa fahavaratra, roa na telo volana vao misy kamiao tonga. Vokatr’izay, lafo dia lafo ny vidim-piainana. Eo koa ny fisian’ny fitrandrahana volamena any, vao mainka mampiakatra izany. Tsy misy fiara mpitatitra, fa mpikarama no mitondra entana: 1 000 Ar hatramin’ny 2 000 Ar ny kilao, arakaraka ny entana.
Olana koa ny delestazy saika mila ho isan’andro, amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 11 ora alina. Fampanante­nan’ ny fitondrana ny fanomezana herinaratra amin’ny alalan’ny masoandro. Mety hivaha ny delestazy amin’ny volana septambra io. Fangatahana sy faniriana ny hahatongavan’ny gaz oil sy solika hamatsiana ny Jirama. Amin’ny ankapobeny, eo ho eo ihany ny fandriampahalemana any an-toerana.

Mafanafana ny politika any an-toerana
“Mandeha tsara ny fanomanana ny fifidianana”, hoy izy, amin’ny maha mpikamban’ny CLRE azy. Mavitrika amin’ny fanaraha-maso ny raharaham-pirenena ny mponina. Inoany fa hizotra amim-pilaminana ny fanatanterahana fifidianana any an-toerana. “Dieny izao, manentana ny olompirenena harisika sy havitrika amin’ny fanatanterahana fifidianana. Zo fototra io”, hoy ihany izy. Mba izay tena fidian’ny vahoaka no ho tonga eo… Na izany aza, somary mafanafana ny politika any an-toerana. Kely ny faritra ka mifankahita ny rehetra. Raha vao misy zavatra kely mitranga, voizin’ny olona be dia be: nisy fahatarana kely, ohatra, ny fandoavana ny tambin-karaman’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni, roritin’ny sasany ho zavatra hafa.

R. Nd.

Partager sur: