Fitokanana ny “Lapan’ny teny tonga nofo” : “Hita taratra amin’ny zava-bita ny asa atao am-pitiavana”, hoy ny filoha

Fiaraha-miasa amin’ny fiangonana hatrany. Notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly, ny fahavitan’ny “Lapan’ny teny tonga nofo”, eo anivon’ny fiangonana katolika Ambatobe.

“Hita taratra amin’ny zava-bita ny asa atao am-pitiavana”, hoy ny filoham-pirenena Ra­joelina nandritra ny fiaraha-miombom-bavaka tamin’ny mpino tao amin’ny fiangonana Katolika SVD Ambatobe. Fotoana nitokanana ny “Salle d’oeuvres – Lapan’ny teny tonga nofo” sady nifanandrify amin’ny fankalazan’ny fiangonana katolika ny niovan’ny Tompo tarehy izany. Foto­drafitrasa niaraha-nanorina izao notokanana izao, tafiditra amin’ny fiaraha-miasan’ny fiangonana sy ny fitondram-panjakana. Samy nitondra anjara biriky ny mpino tsirairay, ary nanohana izany ny filohan’ny Repoblika mivady sy ny avy amin’ny fanjakana.
Toerana ahafahana manamafy ny finoana sy mampianatra katesizy ho an’ny ankizy sy ny tanora izany. Eo koa ny fanaovana fihatahana masina sy matsom-panahy (laretirety). Tsy vitan’izany fa mety ho amin’ny fanaovana atrikasa sy fiofanana ary fivoriana na koa fety isan-karazany koa izany “Lapan’ny teny tonga nofo” izany.
Anisan’ny efa nambaran’ny filoha teny Soamandra­kizay, ny herinandro teo, tamin’ny fandraisana ny arseveka vaovao, ny Mgr Raoelison Jean de Dieu, izany fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izany. Anisan’izany izao fotodrafitrasan’ny fiangonana katolika eny Ambatobe izao. Mbola hitohy any Fenoarivo Atsinanana koa izany, tsy ho ela, amin’ny fahavitan’ny fiangonana lehibe any an-toe­rana.
Tsiahivina fa teo ambany fiahian’ny arseveka, ny Mgr Raoelisona Jean de Dieu sy ny eveka mpanampy, An­driantsoavina Jean Pascal izao hetsika fitokanana izao. Niatrika izany kosa ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta sy ireo tomponandraiki-panjakana sasany.

Synèse R.

Partager sur: