Nirefodrefotra indray ny basy nandritra ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Mangabe Sahananto, distrikan’i Toamasina II, afakomaly tolakandro. Renim-pianakaviana iray maty voatifitra…
Niditra an-keriny tao am-pivarotan’ny mpandraharaha iray ireo jiolahy sady nanapoaka basy tamin’io fotoana io. Tsy vitan’izay fa nandrahona ireo fokonolona teo amin’ny manodidina ihany koa izy ireo. Nandositra niala ny tanàna ireo fokonolona. Niditra tao an-tranon’ilay mpandraharaha ry zalahy ka renim-pianakaviana vadin’ilay mpandraharaha no sendra azy ireo tao. Daroka sy kapoka tamin’ny vodibasy mba hanery hamoaka vola no nahazo ilay renim-pianakaviana. Vokany, maty voatifitra ilay renim-pianakaviana. Tsy vitan’izay fa mbola niditra an-keriny tao an-tokantranona ben’ny Tanàna ihany koa ny ampahany tamin’ireo dahalo. Efa tafatsoaka any anaty ala anefa ny vadin’ny ben’ny Tanàna ka nanjaka tanteraka ireo malaso. Marihina fa tsy tao an-trano fa lasa tany Toamasina renivohitra avokoa na ilay ben’ny Tanàna na ilay mpandraharaha tamin’io fotoana nisian’ny fanafihana io. Naharitra teo amin’ny adiny roa ireo jiolahy nisava ny tao an-tranon’ilay mpandraharaha. Efa tamin’ny 7 ora sy 30 mn hariva kosa vao niverina tao an-tanàna ireo fokonolona noho ny tahotra. Ilay renim-pianakaviana efa tsy misy aina intsony no novantanin’izy ireo miaraka amin’ny entana mikorontana tao an-trano. Naparitak’ireo jiolahy manerana ny trano ny zava-pisotro rehefa avy novakin’izy ireo ny tavoahangy. Niparitaka ny entana rehetra tao am-pivarotana. Lasa avokoa ny vola rehetra tao an-trano, araka ny fanazavan’ny lefitra voalohan’ny ben’ny Tanànan’i Mangabe Sahananto, R. Georges.
Nitondra takalonaina ireo malaso…
Nitondra takalonaina enina mianadahy ihany koa ireo dahalo nandritra ny fanafihana. Votsotra anefa izy ireo tamin’ny 11 ora sy 30 mn, teo anelanelan’ny fokontany Fotsialanana sy kaominina Antegnina. Tsy nisy naratra fa reraka ireto takalonaina ireto. Tsy lavitra ny kizo fiafenan’ireo dahalo ao amin’ny faritra arovana Zahamena izany. Araka ny fanazavan’ny lehiben’ny distrikan’i Toamasina II, Andriamaro Eddy, mahatratra 500 olona no manao ny fanarahan-dia miaraka amin’ny zandary sy ny Tafika. Fantatra fa mahita azy ireo mirongorongo basy lava ireo mponina amin’ny tanàna andalovan’izy ireo.
Sajo/J.C




