Toamasina : Hamafisina ny ady amin’ny Mpox

Amin’izao fotoana maha betsaka ny mpiala sasatra izao, tena ilaina ny fanentanana sy fahamailoana amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Mpox. Fanentanana eny ifotony momba ny ady amin’ny Mpox niarahana tamin’ny sefo fokontany sy ny lehiben’ny boriborintany tao Toamasina no nataon’ny ekipan’ny Cousp Atsinanana sy ny tomponandraikitry ny fahasalamana ao Toamasina, tamin’ity herinandro ity.
Ady iombonana sy andraikitra iarahan’ny fanjakana sy ny vahoaka ny fiatrehana sy ny fifehezana ny Mpox. Ha­mafisina ny fanaraha-maso ireo marary eny anivon’ny fokontany, iarahan’ireo sefo fokontany sy ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ani­von’ny fiarahamonina. Hama­fisina ny fampiharana ireo fepetra fisorohana sy sakana eny amin’ireo toerana be olona sy betsaka fifamezivezena. Hampitomboina ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpiasan’ny fahasalamana sy ireo tomponandraikitra eny ifotony amin’ny fanentanana ny mponina hanao vaksiny, indrindra any amin’ireo fokontany ahi­tana trangana Mpox betsaka.
Natao ihany koa ny drafi-pandaminana isam-pokontany, izay mamaritra ireo asa sy andraikitra tokony hotanterahina eny ifotony.
Tokony handray andraikitra sy ifarimbona ireo ekipa rehetra rehefa mahita tranga eny amin’ny fiarahamonina hifehezana ny aretina indrindra amin’izao fotoan’ny fialantsasatra maha be olona mivezivezy izao.

Tatiana A

Partager sur: