“Matoa manohana ny fampandrosoana entin’ny filoha Rajoelina ny fianakaviambe iraisam-pirenena, mahafantatra izy ireo fa mandeha araka ny tokony ho izy izany”, hoy ny loholona sady filohan’ny vovonana Ifi, Ramanambitana Richard, teny Antananarivo Atsimondrano, ny faran’ny herinandro teo. Mba tsy ho voarebirebin’ny mpanenjika sy tsy tia ny fitondrana ny vahoaka, fa mila manana fijery miabo amin’ny fampandrosoana.
“Mifanohitra amin’ny lalàna velona ny fitsaram-bahoaka”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, tany Sainte-Marie, ny faran’ny herinandro teo. Heloka eo anatrehan’ny fitsarana ny famonoana olona. Heloka na manana ny rariny aza ny tena ka mamono olona. Efa misy ny ezaky ny fitondram-panjakana eo anivon’izay fitsarana izay mba hihainoana ny fitarainan’ny vahoaka eny ifotony.
Any Seoul, Korea Atsimo, indray ny JMJ andiany faha-38. Nifarana ny Andro maneran-tany ho an’ny tanora (JMJ), natao tany Lisbonne, Portugal. Nampahafantarina tamin’izany, tamin’ny fomba ofisialy, fa hatao any Seoul, Korea Atsimo, indray ny fihaonamben’ ny tanora katolika amin’ny taona 2027. Maherin’ny
1 500 000 ireo tanora niatrika ny andiany faha-37. Nisongadina ny fiainam-panahy sy ny fifanakalozana kolontsaina sy traikefa… Teo koa ny hafatry ny Papa Fransoa ho azy ireo amin’ny hiatrehana ny ho avy sy ny tontolo iainana…




