Fifidianana filoham-pirenena : maka bahana ho kandidà Razafinjoelina Tahina

Miomana tanteraka. Na­songadin-dRazafinjoelina Tahina tamin’ny fandaharana manokana tamin’ny fahitala­vitra maromaro, omaly, ny momba ny fifidianana. “Manam-pikasana ho kandidà filoha aho. Tsy maintsy ny antoko Tia tanindrazana no manapaka… Tsy mety ny mitazam-potsiny ny fahorian’ny Malagasy sy ny firenena ary tonga ny fotoana handraisana andraikitra”, hoy izy. Na izany aza, niaiky ny tenany fa mbola misy tokony hamboarina vao tena miroso amin’ny fifidianana. Tokony hangarahara sy marina tsara ny fomba fiasa, araka ny nambarany. Anisan’ny takin’izy ireo ny hanaovana peta-drindrina eny amin’ny fokontany ny lisi-pifidianana.
Etsy andaniny, hanolotra ny vina amin’ny alalan’ny fomba fijery vaovao, fomba fiasa tsotra, marina, mahomby ny tenany. Ampy izay ny ady sy ny fifandrafesana fa andao haneho ny tena firaisankina hampandrosoana.
Nanteriny fa mifantoka amin’ny fanabeazana, fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana vola ary Madagasikara nomerika ny vina hoentin’ny Fi­raisankinan’ny tia tanindra­zana (FTT) sy Tahina Raza­finjoelina. “Malagasy mahay sy mahalala tsara ny taniny sy ny harena ao aminy no tena izy fa tsy mifaninana maka diplaoma fotsiny”, hoy izy. Ilaina ny tetibola tonga ha­trany amin’ny kaominina… Ny eny ifotony no mahalala ny olana fa tsy minisitra anaty birao, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: