Fihaonan’ny filoha Rajoelina tamin’i Kagame ; “Ilaina ny fananana vina sy ny fitiavan-tanindrazana”

Noraisin’ny filohan’i Rwanda, Paul Kagame, tao amin’ny Lapam-panjakana ao Kigali, ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Voaresaka ny fiaraha-miasa sy ny dingana vitan’ity firenena ity.

Nambaran’ny filohan’ny Repoblika fa manana ny fahaiza-manao sy
ny haitarika ny filoha Paul Kagame. “Fakan-tahaka sy modely ho an’i Afrika noho ny ezaka lehibe nataony tamin’ny sehatra rehetra izy”, hoy ny filoha. Eo ny toekarena sy ny fiarovana ny tontolo iainana ary koa ny teknolojia. Nante­rin’ny filoha Rajoelina fa anisan’ny anton’ny fitsidihana ny hifampizara fomba fijery ho amin’ny fisandratana. Naha­vita dingana amin’ny fampiakarana ny harin-karena ny Roande na teo aza ny ady an-trano. “Nitraka izy ireo ary ni­tondra fiovam-penitra mahery vaika sy haingana kokoa ho amin’ny fampandrosoana… Efa niainga koa anefa ary hohafainganina ny fampandroana an’i Madagasikara”, hoy ny filoha. Antony niton­drany ireo minisitra sy parlemantera ary koa mpandraharaha tsy miankina any Rwanda izany.
Noderain’ny filoha i Kagame amin’ny namafany ny endrika ratsy ho an’i Afrika eo amin’ny fahantrana, manoloana ny fihazakazaky ny fampandrosoana ao amin’ity firenena ity. “Ilaina ny fananana vina sy ny fitiavan-tanindrazana”, hoy ny filoha. Manampy izany ny fanabeazana sy ny fanajana ny fitsipika ary koa ny fananganana indostria… Ilaina ny fiaraha-miasan’ny samy ta­tsimo iarahana amin’i Roanda, araka ny nambarany. Hana­ma­fisana izany ny fifampiraharahan’ny sehatra tsy miankina eo amin’ny firenena roa tonta. Tsy afaka ny handroso ny firenena iray raha tsy eo izany miaraka amin’ny famoronana orinasa sy ny fanomezana asa, araka ny namba­rany.
Voaresaka koa ny fiaraha-miasa hifampizarana traikefa amin’ny fitantanana ny renivohitra eo amin’i Kigali sy Anta­nanarivo.

Synèse R.

Partager sur: