Anisan’ny tapaka nandritra ny fivorian’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo farany teo fa hamoraina ny fangatahana fampidirana jiro sy rano eto an-drenivohitra manomboka izao. “Azon’ny tompon’ny trano atao ary manana porofo amin’ny fandoavan-ketran-trano ny manao ny fangatahana fampidirana jiro sy rano mialoha ny hanatanterahan’ny avy eo anivon’ny Jirama ny asa”, hoy ny eo anivon’ny CUA. Voatsiahy amin’izany ireo dingana vitsivitsy tokony harahin’ny tompontrano mandritra izany. Eo ny fanatonana ny «Agence Jirama» mba hahafahan’izy ireo manao ny «Devis» sy ny fanadihadiana. Manatona indray ny ao amin’ ny «Guichet unique» etsy
amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely avy eo ary mametraka ny antontan-taratasy ilaina rehetra momba izany.
Manatona ny Jirama indray mba ahafahana manatanteraka ny asa rehefa azo ny fahazoan-dalana avy eny anivon’ny CUA. Nohamoraina tahaka izany ihany koa ny fangatahana fanavaozana trano ho an’ny olona tompon’ny trano na ireo olona manana porofo ny fipetrahany ao amin’ ny trano ka manana fanamarinana amin’ny fandoavan-ketra. Tokony hanatona eny anivon’ny «Guichet unique» ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely izy ireo mameno sy mitondra ireo antontan-taratasy rehetra ilaina amin’izany. “Ezahina hohafainganina ny fikirakirana sy famoahana ny fahazoan-dalana”, hoy ny tale misahana ny fandrindrana ny Tanàn-dehibe, Randrianamanjara Sandrina.
Synèse R.




