Kitra : hotokanana ny Elgeco Plus Stadium

Raha tsy misy ny fiovana, hotokanana amin’ny alakamisy 10 aogosoitra ho avy izao ny kianja Elgeco Plus Stadium, eny By-Pass. Efa eo am-pamaranana ny pitsopitsony amin’ny maha ara-dalàna azy sisa ireo tomponandraikitra misahana ny fanamboarana izany fotodrafitrasana izany. Tsiahivina fa misy “tribune” sy “gradin” ny kianja. Ahitana efitrano ho an’ny mpilalao sy ny mpitsara. Ankoatra izay, misy efitra fivoriana sy toeram-pisakafoana. Hangataka amin’ny kaonfederasiona afrikanina (CAF) sy ny federasiona iraisam-pirenena (FIFA), ny mpitantana eo anivon’ny Elgeco Plus, handefasana teknisianina hijery io kianja io, mba hahazoana fankatoavana.
Manam-paniriana ny hanatanterahina ny lalao miverina eo amin’ny Elgeco Plus sy ny Gaborone United ao amin’io kianja io mantsy izy ireo. Lalao, tafiditra amin’ny fiadiana ny amboaran’ny kaonfederasiona. Tsiahivina fa ny Elgeco Plus irery no hany solontena Malagasy, eo amin’ny fifaninanana afrikanina, amin’ity taona ity.

Tompondaka

Partager sur: