Nolazainy volamena : olona roa nahatrarana vovo-barahana 1 kg

Voasambotry ny zandary ny lehilahy sy vehivavy iray nivarotra volamena sandoka tao Ambohibao, ny faran’ny herinandro teo. Mody manantona olona sendra azy, milaza ho manana vovo-bolamena ny lehilahy iray. Efa hisy handray io entana io saingy vazaha any Nosy-Be ka tsy mahay miteny frantsay ilay mitonona ho mpivarotra. Reseny lahatra, araka izany, ny olon-tsotra sendra azy mba hiresaka amin’ilay vazaha an-telefaonina. Ity farany izay mody manaiky ary handefa olona hanamarina ny kalitao. Misy olon-kafa tonga mijery ka milaza fa tena tsara tokoa ilay volamena. Nilaza hitady mpividy hafa ankoatran’ilay vazaha naniraka azy anefa io olona io. Mangataka vodiondrim-barotra amin’izay ny tompon’ny volamena sandoka ka hangalany vola eo ilay olon-tsotra raha toa ka efa mpiray tambazotra aminy ilay voalaza ho mpijery kalitaon’ny volamena. Tsy hita intsony ireo mpisoloky aorian’ny fahazoany ny vola.

Naharay fitarainana mo­mba io tranga io ny zandary. Niafara tamin’ny fahatratrana ireto olona roa ireto izany.

Tsiferana R.

Partager sur: