Fasana iray indray novakian’ireo tsy valahara tao Mananety Mahitsy, distrika Ambohidratrimo, afakomaly. Very tamin’izany ny taolan-dava rehetra tao am-pasana. Nakorontan’ireo jiolahy avokoa ny razana sisa tavela.
Dahalo iray lavon’ny miaramila eo anivon’ny 422e Compagnie d’Infanterie Ambatomainty, ny sabotsy teo. Anisan’ireo nanao fanafihana tao amin’ny tanànan’Amposa, kaominina Mahabe ity maty voatifitra ity.
Jiolahy roa indray voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’Isotry teny Tetezan-dRamala Isotry, omaly. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy teny amin’iny faritra iny no nahatrarana ireto jiolahy mpangarom-paosy ireto. Voasoroka mialoha izany ka tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy.
Olona enina voasambotra tao Antalaha, ny sabotsy teo. Voarohirohy tamina raharaha fanaovana trafikana zava-mahadomelina ireto olona ireto. Misy amin’ izy ireo mpivarotra sy mpifoka. Fonosan-drongony marobe tratra tany amin’izy ireo. Tsy vitan’izay fa hita tao ambany fandriana koa ny basy vita tanana iray.




