Amin’izao vanim-potoanan’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023 izao, anisan’ny taranja hanaovana lalao fampirantiana ny Golf. Manana ekipa solontena roa i Madagasikara.
Hotanterahina eny amin’ny Golf du Rova Andakana, manomboka ny 22-25 aogositra ho avy izao, ny fifaninanana iraisan’ny Nosy “Golf Inter-Iles 2023». Miisa dimy ireo firenena mandray anjara amin’izany: i Madagasikara, ny Nosy La Reunion, i Maurice, i Mayotte, i Seychelles. Marihina fa ny Golf, anisan’ireo taranja voasokajy anatin’ny lalao fampirantian’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023.
Raha ny fanazavana nataon’ny mpikarakara, ekipa roa ny Malagasy miaro ny voninahi-pirenena ary isika irery no mahazo manao izany. Ny andaniny mifaninanana amin’ ny lalao iraisana “par équipe”, raha toa ka lalaon’ny tsirairay “individuel” ny ankilany. Marihina fa valo ny isan’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipa iray, izay ahitana lehilahy enina (1 pro, 3 amateurs, 2 séniors) sy vehivavy roa. Tsara ny mampahafantatra fa ny 29-30 jolay lasa teo, nisy ny lalao fifantenana natao, izay nahafahana nandrafitra ny ekipam-pirenena.
Ny 22 aogositra ho avy izao, hisy ny valandresaka ataon’ny mpikarakara miaraka amin’ireo vahiny delegasiona mandray anjara amin’ity fifanintsanana ity. Ny 23 aogositra, hiakatra kianja voalohany ny mpifaninana. Tsiahivina fa tamin’ity andiany ity, vao nandray ny fifaninanana “Golf Inter-Iles” i Madagasikara.
Fitia R
Ny anaran’ireo Malagasy mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena
Ekipa voalohany :
Raveloarison Johary (Pro)
Matheo Douessy
Do Woo Kim
Rasoloarimanana Julien
Rakotondrafara Fils (Sénior)
Ratsimbazafy Luc (Sénior)
Ratsimbazafy Manitra (Vehivavy)
Maria Kim (Vehivavy)
Ekipa faharoa :
Ramarozatovo Jean Baptiste (Pro)
Rakotofiringa Matteo
Amir Vasta
Rakotonavahy Ny Ony
Michel Morizot (Sénior)
Hery Rafidinarivo ( Sénior)
Monique Noyon (Vehivavy)
Holy Gagneux (Vehivavy)




