Hiasa tsy an-kiato, ary hatramin’ny fiandrasan-draharaha rehefa faran’ny herinandro ny HCC etsy Ambohidahy, amin’izao fandraisana ny antontan-taratasin’ny kandidà ho filoham-pirenena izao. Efa nanomboka, omaly, ny fisokafan’izany ary hitohy hatramin’ny 6 septambra ho avy izao. Nambaran’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity, Rakotoarisoa Florent fa ho hentitra izy ireo amin’ny fanamarinana sy fijerena ny antsipirian’ireo dosie aterin’ny kandidà.
Na izany aza, misy ihany ny fandaminana amin’ny fomba fiasa ataon’ny mpirakidraharaha raha ohatra ka tsy mbola feno tanteraka ny antontan-taratasy miisa 15, takina amin’ireo mpirotsaka hofidina. “Omena herinandro manomboka amin’ny fotoana hanaterany ny dosie ireo ho kandidà hamenoana ny dosie tsy mbola feno. Tsy ho azo raisina intsony anefa ny firotsahan-kofidiany raha dila izany fe-potoana nomenay izany”, hoy ihany ny filohan’ny HCC.
Nambarany fa efa vonona avokoa ireo mpirakidraharaha sy ny mpitsara etsy Ambohidahy hiasa tsy an-kiato, mandritra ny 15 andro, hanateran’ireo ho kandidà ny dosie-ny. Manomboka amin’ny 9 ora ka hatramin’ny 4 ora ny fandraisana izany. Resaka fitandroana ny filaminana sy fiarovana ny lapa ny nandrosoana ny ora raha tokony ho amin’ny 6 ora hariva ny fikatonan’ny birao, araka ny nambarany hatrany.
Synèse R.




