Maharitra Ali Petera : “Ny fisitrahana ny zo amin’ny fifidianana no miantoka ny hoavy”

Tsy azo ihovidirana intsony ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao? “Ny fisitrahan’ny tena ny zo maha olom-pirenena amin’io fifidianana io no miantoka ny ho avy”, hoy ny filohan’ny Association Lumière de la lune de Madagascar (Alluma), i Maharitra Ali Petera. Fanehoan-kevitra…

«Miantso sy manohana ny olom-pirenena hahay handray andraikitra ny hoaviny izahay. Ny fisitrahan’ny tena ny zo amin’io fifidianana io no miantoka ny ho avy. Koa manentana ny vahoaka malagasy hifidy, indrindra izay miahiahy na misalasala». Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Association Lumière de la lune de Madagascar (Alluma), i Maharitra Ali Petera, ny amin’ny fiatrehana fifidianana filohan’ny Repoblika. Zon’ny tena ny mifidy: iza no hitondra ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka?
Nahazo fankatoavan’ny Ceni amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana ny Alluma, ary efa nandray andraikitra tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Mizotra antsakany sy andavany ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, raha ny fanaraha-maso nataony: nihena, ohatra, ny anarana miverina ao anatin’ny lisitry ny mpifidy, tsy toy ny tamin’ny fifidianana teo aloha.
Mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy ny fikambanana
Mandray andraikitra amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy ny Alluma hatramin’ny nijoroany, ny taona 2020. Eo koa ny fanampiana ireo mila fanohanana hahay hiatrika ny fiainana sy ireo ankizy sahirana hiditra an-tsekoly, ny fiarovana ny zon’ny vehivavy. Ny fisian’ireo tanora midona-poana no nahatonga ny fananganana ny fikambanana, ny vehivavy iharan’ny herisetra, ny ankizy tsy afa-miditra an-tsekoly nefa tsy ampy ny enti-manana ny ray aman-dreny…
“Tena misy ny fahantrana raha ny fiainam-bahoaka amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Noho ny covid-19 nandritra ny roa taona, nidina ny fahefa-mividy sy ny fari-piainan’ny Malagasy. Anisan’ny iadiana amin’izany ny fanofanana sy fampananana asa ny tanora hiatrehany ny hoaviny. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana hafa eto an-toerana. Amin’ny maha “lumière de Madagascar” azy, misandrahaka manerana ny Nosy izy. Faritra efatra no misy ny fikambanana amin’izao.
“Tokony hampian’ny fanjakana ny fikambanana miorina ara-dalàna amin’ny sosialim-bahoaka”, hoy ihany izy. Mba hahazoana mifameno sy mifanome tanana izany, tsy ho an’ny fanjakana irery ny sosialim-bahoaka.

R. Nd.

Partager sur: