“Fitaovana hanampiana ny mpifidy hanao safidy voasaina sy voalanjalanja amin’ny fifidianana ho avy ny hayfidy. Hatramin’izay, mampiahiahy ny fomba fisafidianana an’ireo kandidà amin’ny fifidianana samihafa”. Io ny fanazavan’ny tale mpanatanteraka eo anivon’ny Transparency International – Iniative Madagascar (TI-IM), Rafitoson Ketakandrina, teny Ambaranjana, afakomaly, momba ny fitaovana Hayfidy.
Fanabeazana olom-pirenena hametrahana masontsivana marim-pototra amin’ny safidy ataony ny Hayfidy. Enina ny masontsivana ampiasaina amin’izany. Eo ny mombamomba ny kandidà: ny fari-pahaizany, ny foto-pivelomany, ny fifidianana efa natrehiny… Rehefa olom-boafidy izy: firy ny taham-pahavitan’ny fampanantenana nataony teo aloha, ahoana ny fihatsaran’ny toe-piainan’ny vahoaka nandritra ny fitondrany?
Jerena amin’izay masontsivana izay koa raha misy raharaham-pitsarana efa nahavoampanga na nahavoatonontonona azy na ny manodidina azy. Marim-pototra sy azo tanterahina ao anatin’ny dimy taona ve ny drafi-pandrosoana entiny?
R. Nd.




