BAOLINA KITRA: fandresena voalohany ho an’ny Barea

Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, omaly, teny By Pass. Mitarika ao amin’ny vondrona “A” i Madagasikara.

Isa telo avy hatrany no nalain’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar tamin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja baolina kitra ity. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho 0 i Seychelles, nandritra ny andro voalohany ho an’ny sokajy “A”, izay notanterahina tetsy amin’ny kianjan’ny Elgeco Plus By pass, omaly 24 aogositra 2023.
Raha hiverenana ny lalao, nanjakan’ny Malagasy tanteraka ny fe-potoana 90 minitra. I Tendry no nanokatra ny isa voalohany ho antsika Malagasy teo amin’ny minitra faha-19. Araka izany, io isa 1 noho 0 io, nentina niala sasatra. Teo amin’ny fidirana fa­haroa, nisy ny fanovana mpilalao ho an’i Seychelles sy i Madagasikara saingy tsy nanova ny vokatra teny amin’ny solaitrabe izany. Maro ihany fanafihana nentin’i El Hadary sy ry Toky ho an’ny Malagasy, saingy voasakan’ny mpiandry haraton’i Sey­chelles izany.
Nijanona tamin’ny isa 1 no ho 0 ny lalao, nandresy ny Barea de Madagascar. I Madagasikara no mitarika ao amin’ny vondrona “A”, manana isa telo faharoa i Maurice ary farany i Seychelles.

Hifandona amin’ny Club M

Ny sabotsy 26 aogositra, hifanandrina amin’ny Club M Maurice ny Barea de Mada­gascar. Hotontosaina ao amin’ny kianjan’ny Barea Mahamasina izany.
Ankoatra izay, notanterahina teny an-toerana ihany koa ny andro voalohany ho an’ny vondrona “B”, amin’ity lalaon’ny Nosy ity. Nisa­raka ady sahala, tsy misy nitoko 0 no ho 0 i Mayotte sy i Comores.

Fitia

Hoy izy ireo :

Tendry, mpilalao Barea : “Misaotra ny ekipa rehetra satria niaraka niady izahay, ary tsara ny vokatra. Somary nihena kely ny fanafihana nataoko saingy hiezaka ny hanarina izany ny tenako amin’ny lalao manaraka. Ny baolina tafiditro androany, natolotro ho an’ny Malagasy rehetra ary mbola vonona ny hamono ho an’ny Barea ny tenako. »

Coach Both, teknisianin’i Seychelles : “Manana mpilalao tsara ny Barea. Niezaka ny hanenjika ny isa ho 1 no ho 1 izahay saingy olana ho anay ny mitondra fanafihana mankany
aloha. Hiezaka ny hamono baolina izahay ary handresy an’i Maurice.”

 

Partager sur: