Higadona anio ilay fotoan-dehibe ho an’ny tontolon’ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Efa tonga eto Madagasikara avokoa ireo delegasiona vahiny rehetra avy amin’ireo nosy rahavavy handray anjara amin’izany. Efa vonona tanteraka amin’ny fandraisana i Madagasikara indrindra ho an’ny lanonam-panokafana. Ankoatra ireo kabary hifandimbiasana, anisan’ny tena andrasana ireo seho sy ravaka hiseho eny an-toerana. Rasoanaivo Razafy Aina Laura, judokas, no atleta voafidy hitondra ny sainam-pirenena mandritra ny filaharan’ny delegasiona, mbola tsy fantatra kosa no hitondra izany mandritra ny lanonam-pamaranana fa mpilalao baolina kitra, araka ny vaovao voaray. Fotoana hanaovan’ireo atleta sy mpitsara fihanianana koa izany, ka Rasoarimalala Claudia, mpilalao Rugby vehivavy sy Raholijaona Njaka (handisport) no solontena. Ranaivoson Haja(basikety) sy Rakotondramanana Nathalia (fibatana fonjamby) kosa no solontenan’ireo mpitsara. Mahakasika ny afon’ny lalao indray, atleta 23 no hifandimby hitondra azy. Hiainga eo amin’ny PK0 Soarano izany ary amin’ny 7ora hariva no ho tonga ao amin’ny kianja Barea Mahamasina. I Sidonie Fiadanantsoa (atletisma) sy Andriantsitohaina Eric (Fibatana fonjamby) no atleta hitondra azy farany.
Mi.Raz