Nanao antso avo ny eo anivon’ny KMF/Cnoe amin’izao hirosoana amin’ny fifidianana izao. Tsipahin’izy ireo marindrano ny mety ho fanohintohinana ny firosoana amin’ny fifidianana.
“Aoka hohamoraina ny fikarakaran’ireo kandidà ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ary tsy tokony hiandany ny mpitantan-draharaham-panjakana”, hoy ny filohany, Namearson Robert, tetsy Antanimena, omaly. Nohitsiny fa helohin’izy ireo tanteraka ny endrika fanohintohinana izany zotram-pifidianana izany.
Niantso ny Ceni koa izy ireo hamoaka ny tetiandro hamoahana ny lisitry ny mpifidy farany. Mbola naniraka ireo rantsa-mangaikany eny amin’ny fitsarana hamoaka didy, hampidirana ireo efa voaisa nefa tsy tafiditra anaty lisitra ity rafitra mpikarakara fifidianana ity. “Mety hanova ny isan’ny mpifidy izany ary ilay lisitra tokana, nofaranana ny 20 jolay koa efa vita fitsirihan’ny Frankofonia (OIF) sy nitondrany fanamarihana maromaro”, hoy ihany ny Cnoe.
Etsy andaniny, nametraka ny ahiahiny izy ireo amin’ny fidiran’ny mpanao politika any anivon’ny rantsan’ny Ceni, eny ifotony, manoloana ny fanovana mpikambana sasany atao amin’izao fotoana izao.
Tsindry politika
Tsy tokony hitsabahan’ny hafa izany ary tsy tokony hanaotao fahatany koa ireo solontenam-panjakana sy ny tsindry politika any ambadika any, araka ny nambaran’ny KMF/Cnoe hatrany.
Ankoatra izany, nanazava ny famatsiam-bola azony amin’ireo mpiara-miombon’antoka ho amin’ny fanentanana ny tanora sy ny vehivavy, amin’ny zotram-pifidianana koa ny KMF/Cnoe. Anisan’izany ny hanetsehana ny mpikambana maherin’ny 190 hanentana olona 6 000, ka vehivavy ny antsasany ary 20 000 hafa kosa amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna.
Synèse R.




