Fanombohan’ny hetsika : ho tonga eto Antananarivo anio ny afon-dalao

Hanomboka anio, eto Madagasikara ny andiany faha-11 amin’ny lalaon’ny Nosy anatin’ny ranomasimbe Indianina. Efa vonona ny fampiantranoana izany hetsika ara-panatanjahantena sy kolontsaina izany.

Anio zoma 25 aogositra ny fotoana hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11. Hanamarika ny fanombohan’ny hetsika ny fahatongavan’ny afon-dalao, eto an-drenivohitra. Toerana hanatontosana ny fifaninanana mandritry ny hafoloana. Handrasana eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, araka izany, ny afo.
Raha tsiahivina, tonga teto Madagasikara ny sabotsy 12 aogositra lasa teo ny afo, rehefa nalaina tany Maorisy, firenena nampiantrano ny lalao farany. Nivantana tany Antsirana­na ilay izy ka ny filoham-pirenena no nandray an-tanana azy voalohany. Taorian’izay, nentina nitety ireo faritany dimy hafa niarahan’ny vahoaka re­hetra nifaly. Mahajanga, To­liara, Fianarantsoa, Toamasina ary ny eto Anta­nanarivo.
Atleta fahiny nitondra avo ny lazan’i Madagasikara sy ireo zandry aty aoriana nandrombaka ny tompondakan’i Afrika sy nahazo medaly volamena tamin’ireo lalao iraisam-pirenena isan-tokony ary ireo mpilalao tao anaty ekipam-pirenena amin’izao fotoana, no nifandimby nitondra ny afo, tamin’izany.
Hirehitra mandritra ny 10 andro etsy amin’ny kianja Barea Mahamasina io afon-dalao io. 19 ireo taranja hifaninanana: ny atletisma, ny basikety ho an’olona 3 sy ho an’olona 5, ny ady totohondry , ny kick-boxing, ny badminton, ny tenisy ambony latabatra, ny baolina kitra, ny hazakazaka am-bisikilety, ny fibatana fonjamby, ny judo, ny lomano, ny rugby ho an’olona 7, ny Tae-kwon-do, ny karate, ny handball, ny tsipy kanetibe, ny tenisy ary ny volley-ball.

 

Partager sur: