JIOI – « Volet jeunesse »: Tsy fifaninanana fa fampiraisana ny tanora

Tontosaina eny amin’ny Arena Ivandry, ao anatin’ny fe-potoana hanatanterahana ny lalaon’ny Nosy, ny « Volet jeunesse ». Ankizy sy tanora 14 hatramin’ny 25 taona, 14 isa avy, avy amin’ny firenena fito no hifandimby handray anjara amin’izany. Marihina fa tsy fifaninanana no atao fa hetsika entina hanamafisana ny fifandraisan’ireo tanora avy amin’ireo nosy mandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, amin’ny alalan’ny fifanakalozana ara-kolon­tsaina sy haikanto.
Kabary sy valandresaka, dihy sy hira, ary teatra. Ireo no ho hita ao anatin’ny “Volet jeunesse”. Sehatra hiresahana ny momba ny fiovan’ny toetr’andro. Hifanakalozana ny olana sy ny vahaolana avy amin’ireo tanora manoloana izany. Eo koa ny dihy sy ny hira mampiavaka azy. Ho an’ny teatra kosa, ny tantaran’ilay nosy no atao ao anatin’izany tantara an-tsehatra izany.
Raha tsiahivina, ny la­laon’ ny Nosy teto Madagasi­kara ny taona 2007 no na­nombohana ny “Volet jeunesse”, ary ny andiany manaraka natao tany Seychelles, ny taona 2011, no nanaovana azy ho ofisialy. Efa vonona ny mpandray anjara re­hetra. Ho an’ny Ma­lagasy ma­nokana, ny hiran’ny Salala “Sa­lakao”, sy ny an’i Ludger Andri­an­jaka “Nosy Ta­nindra­zako” no entin’izy ireo mifanakalo amin’
ireo nosy mpandray anjara.

Lin

Partager sur: