Afaka ny ahiahy sy ny tebitebin’ny rehetra mpilalao sy mpankafy ny tsipy kanetibe. Ny alarobia lasa teo, nandefa mailaka ny federasiona iraisam-pirenena (FIJP), ka nanome alalàna ny komity mpikarakara ny lalao (COJI) fa afaka hifaninanana amin’ity lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ity, ny taranja tsipy kanetibe.
Raha tsiahivina, nosazian’io rafitra iraisam-pirenena io ny Malagasy ho tsy mahazo mikarakara fifaninanana sy mandray anjara amin’ny lalao karakarain’ny FIJP.
Marihina fa hanomboka ny sabotsy 26 aogositra ka hatramin’ny 1 septambra ny fifaninanana. Hiady lohany amin’izany ireo firenena efatra, Madagasikara mpampiantrano, i Maurice, i La Réunion ary i Comores. Eny amin’ny kianja Ivato no hanatontosana ny lalao rehetra.
Tsara ny mampahafantatra fa niravona ny olana teo amin’ny tsipy kanetibe noho ny ezaka nataon’ny Ministeran’ny Fanatanjahatena, Haja Andre Resampa.
Medaly volamena 9 no hiadiana amin’ity taranja ity dia ny “tir de précision” lahy sy vavy, ny lalaon’olon-telo miaraka lahy sy vavy, ny olon-droa lahy sy vavy, ny olon-tokana lahy sy vavy ary ny olon-droa miaraka lahy sy vavy.