« Village Culturel des jeux des îles »: mahaliana ny mpitsidika ny kolontsain’ny nosy hafa

Efa nisokatra, ary azon’ny rehetra tsidihina, mandritra ny lalaon’ny Nosy, ny « Village Culturel des Jeux des îles », eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka. Toerana ahitana asa tanana sy haikanto samihafa. Ankoatra izay, misy koa ny hetsika ara-kolon­tsaina sy zavakanto, iarahana amin’ireo mpanakanto avy amin’ny nosy manodidina. Tanjona amin’izao ny hampiala voly sy hitondra ny mpitsidika hitety ireo nosy mpandray anjara amin’ny lalaon’ny Nosy, amin’ny alalan’ireo he­tsika sy toerana maro ao amin’ny « Village Culturel des jeux des îles ».
Manodidina ny 40 isa, ka mizara ho toerana valo, ny toerana azo tsidihina eny an-toerana. Anisan’izany ny toerana mampahafantatra ny tantaran’ny lalaon’ny Nosy. Eo koa ny toerana ahitana sakafo mampiavaka ny nosy tsirairay. Anisan’ny mahasarika ny olona mitsidika eny an-toerana, ohatra, ny sakafo mampiavaka ny nosy maorisy. “Fo­toana sy toerana tsy manam-paharoa ny ety ary nahazo tombony betsaka isika Mala­gasy satria ety ihany dia ma­hazo fahalalana isan-karazany, indrindra momba ity “jeux des îles” ity”, hoy i Angelina, mpitsidika. Ho an’ireo vahiny, ny asa tanana malagasy no tena mambabo azy ireo.
Malagasy sy vahiny maro no tonga nitsidika ny “Village Culturel des jeux des iles”, omaly, izay andro voalohany nisokafan’ny toerana. Anisan’ izany, Linda Ramkalawan, vadin’ny filohan’ny Nosy Sey­chelles.

Lin

Partager sur: