Kianja Barea : olona 13 namoy ny ainy, 11 voatery nodidina maika

13 namoy ny ainy, 107 naratra ka 11 no tena voa mafy, izay no vokatry ny fifanosehana teny Mahamasina, omaly. Samy maika ny hijery ny fanokafana ny lalaon’ny Nosy ny Malagasy.

Nifanitsa-kitro, niafara tamin’ny famoizan’aina ny fifanosehan’ny fokonolona nikasa hiditra tao amin’ny kianja Barea, omaly tolakandro tamin’ny 4 ora hariva. Avy any amin’ny vavahady hafa ireo mpijery no nifindra teo amin’ny fidirana nisy ny vavahady fahadimy ao amin’ny kianjan’ny Kanto (C5). Nanakorontana ny filaharan’ireo efa tonga aloha ny tara. Tetsy ankilany, niezaka nifehy ary nanakana ny vahoaka tsy hirohotra hiditra an-keriny tao an-kianja ny mpitandro filaminana teny an-toerana. Poa toy izay, am-polony nianjera tamin’ny arabe. Naratra mafy vokatry ny hitsaka ireo lavo. “Niezaka nanao izay hamonjena ireo olona efa nalemy sy tsy nahatsiaro tena izahay”, hoy ny polisy anisan’ny nandamina teny an-toerana. Nentina nihazo ny hopitaly HJRA avy hatrany ireo naratra ary nisy ireo efa nanary aina. Araka ny tatitry ny teo anivon’ny governemanta, olona 12 namoy ny ainy. Mitotaly 11 ireo voatery nandalo fandidiana maika noho ny voina mafy nahazo azy. Araky ny loharanom-baovao hafa, 13 ireo namoy ny ainy ary olona 106 naratra. Nentina teny amin’ny Homi ny naratra sasany.

Manoloana io voina tampoka nitranga tetsy Maha­masina io, nanambara ny governemanta malagasy fa handray an-tanana mivantana ireo naratra. Nanokana iray minitra fahanginana ho an’ireo namoy ny ainy, nandritra ny fandraisam-pitenenany, tamin’ny fanokafana ny lalaon’ny nosy, ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Marihina, tamin’ny 10 ora maraina dia efa tomefy olona nitandahatra teny amin’ny kianja.

Tsiferana R.

Partager sur: