FANTINA sy FINTINA

Anisan’ny nambaran’ny filoha Rajoelina Andry ny momba ny asa fanaovan-gazety. “Ampirisihiko ireo tena mpanao gazety hanatanteraka ny asany am-pahamendrehana”, hoy izy tamin’ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Niarahaba sy nirary soa ireo miasa eo amin’io tontolo io ny filohan’ny Repoblika.

Homarihina sy hankalazaina ny faha-1 700 taonan’ny konsily tany Nisea. Eo koa ny faha-45 taonan’ny FFKM, ho an’ny Sampanasa ekiomenika momba ny toeram-panomanana (Seto). Tafiditra ao anatin’izany ny velakevitra hatao ny alakamisy izao, amin’ny 9ora, ao amin’ny FLM 67ha. Hitarika izany ireo teolojianina eo anivon’ny FFKM.

Tsy ara-dalàna ny namotehana ny orinasan’ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, Mana ao Toamasina, araka ny nambaran’ireo mpisolovava, ny Me Raharison Hubert sy Ratefimahefamijoro Éloïs. Nambaran’izy ireo teny Faravohitra, ny herinandro teo, fa efa mazava ny voalazan’ny tondrozotra nosoniavin’ny Sadc sy ireo filoha efatra tamin’izany.

Vonona hiady amin’ny kolikoly hametraka fitsarana lavitry ny fitiavan-tena sy ny fanamparam-pahefana. Laharam-pahamehan’ny filoha voalohan’ny fitsarana ao Mahajanga, Rabemananjara Barijaofetra, izany, araka ny nambarany. Napetraka ny herinandro teo ny tenany ary niatrika izany ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis.

Partager sur: