Tontosa tao amin’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe, omaly, ny lanonana ara-miaramila « Fandresena ». Famoahana amin’ny fomba ofisialy ireo mpianatra ho manamboninahitra avy amin’ny andiany mivantana faha-44 misalotra ny anarana “amiraly Didier Ratsiraka”. Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, sady filoha faratampon’ny Foloalindahy. Teo ambany fitarihan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Miisa 58 mianadahy, ahitana vehivavy dimy, izy ireo no nanaraka fiofanana nandritra ny telo taona teo anivon’ny Acmil. Notolorana ny galona Sous-lieutenant izy ireo ary manomboka eto, tapitra ny saha maha mpianatra ho manamboninahitra azy ireo. Notsofin-drano omaly koa ireo mpianatra ho manamboninahitra andiany mivantana faha-46 sy nanomezana ny anaran’ny andiany ho « GCA Razafitombo Léon Evariste » sy ny andiany manokana faha-26 nomena ny anarana hoe « Andriafo ». Nanafatra ireto manamboninahitra avy amin’ny andiany faha-44 ireto ny minisitry ny Fiarovam-pirenena mba ho sahy handray andraikitra, haneho ny maha matihanina sy hanome tamberin’adidy ho an’ny vahoaka. Ho fitaratra amin’ny fitondran-tena, ny fahaiza-manao ary indrindra hijoro amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana. « Tokony hitandro hatrany ny fampiraisana ny Malagasy ary tsy hanaiky fizarazarana. Manomboka androany (omaly io) dia mandray ny toerana ho anisan’ny fianakaviamben’ny Foloalindahy ireto manamboninahitra ireto ho mpiaro ny fiandrianam-pirenena. Handray anjara amin’ny fampandriana fahalemana sy hiaro tanindrazana », hoy ny Filoha Rajoelina. Nitarika ny lanonana ny kaomandin’ny Acmil, ny Jly Pikulas Démosthène.
Jean Claude




