Nalaina an-keriny ny tovovavy 20 taona, ny sabotsy lasa teo. Nitaky vola tamin’ny finday ny olon-dratsy ka nandoa ny fianakaviana. Votsotra ny takalonaina. Olona efatra voasambotra.
Nanolotra vola mitentina 900 000 Ar ny ray aman-drenin’ny tovovavy iray vao navotsitr’ireo olon-dratsy ny zanany vavy tao amin’ny kaominina Alakamisy/ Ambohimaha, distrikan’i Lalangina, ny alahady 27 aogositra lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy an-keriny ny sabotsy 26 aogisitra ilay vehivavy. Nentin’izy ireo nandositra. Nanome laharana finday ho an’ny ray aman-drenin’ny lasibatra anefa ireo tsy valahara. Nasain’izy ireo nandefa ny vola mitentina ana hetsiny amin’io finday io ny fianakaviana. Raiki-tahotra ny rain’ny lasibatra. Nandefa ny vola notadiavin’ny jiolahy, nitentina 900000 Ar.
Ny ampitson’ny nakana azy, tonga teo amin’ny toerana hanaovan’ny zandary barazy ilay tovovavy, ny alahady 27 aogositra hariva tokony ho tamin’ny 6 ora latsaka izany. Niharan’ny daroka izy, mangana ny masony. Efa nanaraka fitsaboana anefa ilay tovovavy.
Manoloana ny tranga, nanokatra fanadihadiana ny zandarimariam-pirenena. Aingana ny fomba fiasa. Voasambotra ny jiolahy miisa efatra. Anisan’ny voasaringotra amin’izany ny tomponandraikitra iray eo anivon’ny fokontany any an-toerana. Nisy ny vela-pandrika maty paika nataon’ny mpitandro filaminana. Noraisim-potsiny ny mpaka an-keriny sy ny mety ho mpiray tsikombakomba. Mbola anatin’ny fanadihadiana lalina ny mpanao famotorana.
Tsiferana R.