Mitohy ny fanadihadiana ny renim-pianakaviana iray 35 taona voarohirohy ho nanao herisetra tamin’ny zanaky ny sakaizany. Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisarian’i Sambava izy afakomaly hariva, rehefa fantatra fa nanao herisetra tamina ankizy tsy ampy taona. Naharay fitarainana tamin’ny mponina ny polisy fa misy ramatoa iray mpitazona toeram-pisakafoana manao herisetra matetika amina ankizilahy 13 taona. Nidina ifotony nijery ny zava-misy ny polisy ka voamarina tokoa ny fisian’ity renim-pianakaviana manao herisetra ity. Niroso tamin’ny fisamborana azy avy hatrany ny polisy ka nentina nanaovana famotorana any amin’ny biraon’ny polisy izy. Tamin’ny fotoana nijerena ilay ankizilahy dia hita tokoa fa nodorany ny tanany sady nahitana ratra maromaro koa ny vatany. Taorian’ny fanadihadiana natao taminy dia fantatra fa zanaky ny sakaizany ihany ity ankizy niharam-boina ity. Tsy vao izao fa efa hatry ny ela no niharan’ny fampijaliana ilay ankizy. Efa mitondra fitarainana momba ity nahavanon-doza ity ny olona teo amin’ny manodidina.
J.C