Renim-pianakaviana 72 taona hita faty natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Analaroa, kaominina Soalazaina, distrikan’Ambatondrazaka, afakomaly. Naharay fampandrenesana ny lehibem-pokotany. Nisolifatra tamin’ny sisin-drano ka latsaka ary tsy tafarina intsony ity namoy ny ainy ity, araka ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fizahan’ny mpitsabo.
Resevera iray namoy ny ainy voan’ny bala nataon’ny olon-dratsy teny 67 ha, afakomaly. Nifanojo tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nataona jiolahy mitam-piadiana ny fandalovan’ity resevera ity ka nifatratra tany aminy ny tifitra nataon’ny mpandroba. Nentina teny anivon’ny HJRA ilay lasibatra saingy tsy tana ny ainy.
Nitrangana asan-dahalo mahery vaika tao amin’ny kaominina Ampasimatera, distrikan’i Mampikony, afakomaly hariva tamin’ny 6 ora. Naratra mafy ny lasibatra tamin’izany ary nisy voalaza fa namoy ny ainy. Nitsoaka nandositra avokoa ireo nahavanon-doza.
Ramatoa voalaza fa mpandraharaha rongony monina ao amin’ny fokontany Ankadindratombo, kaominina Ambohimangakely no karohin’ny zandary. Tsy hita tao amin’ny trano fonenany intsony io ramatoa io ka nahatonga ny zandary mikaroka azy.