Mois : août 2023

Minisitra Yvette Sylla: “Mahasarika olona i Madagasikara amin’ny JIOI”

“Mahasarika ny vahiny i Madagasikara amin’ny fikarakarana sy fampiantranoana ny lalaon’ny Nosy (JIOI). Noho izany, ho avy eto ireo filom-pirenena eo anivon’ny Vao­mieran’ny ranomasimbe In­dianina (COI).” Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Ho avy eto ny filohan’i Maurice, indrindra ny […]

Soa toa lavina

  Aiza ho aiza ny satan’ny fitsipi-pitondran-tena ho an’ ny antoko politika sy ny kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika? Tsy very na maty hafoy, tsy antenaina avy hatrany. Manana ny fotoany ny zavatra rehetra? Na izany aza, miankina amin’ny tena ihany ny hoe fitsipi-pitondran-tena amin’ny fanaovana politika. Manana etika sy […]

Filoha Rajoelina tany Antsiranana ; “Hojerentsika ny maha olona : tanora, tantsaha…”

Niompana amin’ny sosialy, indrindra ny fiahiana ny maha olona ny fitsidihan’ny filoha Rajoelina Andry tany Antsiranana, ankoatra ny fanatanjahantena. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny camp pénal ao Andaloasy, Sadjoavato, ny dian’ny filoha Rajoelina tany Antsiranana ny sabotsy teo. Nambarany fa hahazo fanalefahan-tsazy ireo miasa tsara sy tsara fitondrantena. “Lalana iray hiverenan’ny […]

TSELATRA

Mitohy hatry ny omaly ny fanarahan-dia ataon’ny Tafika sy ny zandary ireo nanapa-doha zazalahy 5 taona tao amin’ny fokontany Ehindy, kaominina Ejeda, distrikan’Ampanihy. Fokontany efatra niara-nihetsika amin’ny mpitandro filaminana manara-dia ireo olon-dratsy. Hatramin’izao tsy fantatra mazava ny ao ambadik’izao heloka mamohehatra izao. Sinoa iray sy olona roa hafa manaraka fitsa­boana […]

Lozam-pifamoivoizana: talem-paritry ny Asa vaventy namoy ny ainy

Niara-maty ny mpamily sy ny vehivavy iray hafa tao anatin’ny fiara tra-doza teo An­tsira, kaominina Antsoatany, distrikan’ Antsirabe II, omaly. Vaky kodiarana tampoka ny fiara tsy mataho-dalana nen­tin’ny talem-paritry ny Asa vaventy iray, tamin’ny 11 ora maraina. Nivadibadika ny fiara teo amin’ny PK 142+900. Vokany, maty tsy tra-drano ny vehivavy […]