Nanolotra sambokely haingam-pandeha miisa efatra ho an’ny fikambanan’ny mpanjono madinika any amin’ny kaominina Maromandia, distrika Analalava, faritra Sofia, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Vina Marie-Orléa, ny 3 aogositra teo. Natao hanatsarana ny fiharian’ireo mpanjono ny nanomezana izao fitaovana izao, sady koa ahafahan’izy ireo manara-maso […]
Mois : août 2023
Fampandrosoana : maro ny fotodrafitrasa vita eny Atsimondrano
« Atsimondrano fitaratra 2023 ». Io no fanambin’ny distrikan’Atsimondrano. Na teo aza ny krizy Covid-19 sy ny ara-toekarena maneran-tany, maro ny fotodrafitrasa mitondra fampandrosoana vita tao anatin’izay efa-taona sy tapany izay. Miisa 26 ny kaominina ao anatin’ny distrika Atsimondrano, tantanin’ny IRD ny 11. Ho an’ny fanamboaran-dalana, misy ny arabe vita godirao, rarivato, […]
Fahasalamana : nanampy ireo reny sy ny zaza ny loholona Ndriana
Nanao hetsika momba ny fahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza ny loholona, Rakotondrainibe Michel na i Ndriana. Nanomboka ny faran’ny volana jolay 2023 teo izany ka nanaovana hetsika manokana ny fisafoana sy fizahana fahasalamana maimaimpoana. Anisan’ny nanaovana izany ny teny Imerinafovoany sy ny manodidina, ho an’ny distrikan’Ambohidratrimo. Nitohy teny […]
Haitarika : miofana any Etazonia i Laza Rabary
Miofana momba ny haitarika any amin’ny oniversiten’i Harvard any Massachussetts- Boston, Etazonia, Razafimamonjy Laza Rabary. Tanterahina amin’ity volana aogositra ity izany mba hahazoana ny antsoina hoe “Certificate of leadership excellence (CLE)”. Anisan’ireo mpampiofana eny amin’ny sekoly ambony ho an’ny mpiasam-panjakana Enam ny tenany. Efa mpikambana teo anivon’ny filankevitra siantifika “Conseil […]
Fanatanjahantena sy kolontsaina: novelomina sy omena vahana indray ny Doranga
Fanatanjahantena ifangaroan’ny kolontsaina any Atsimo Andrefana ny Doranga. Fifanandrinana nefa mitondra hafatra ho an’ny rehetra. Novelomin’ny fikambanana Marozatovo, tarihin’i Rhino Soafilira indray ny Doranga, amin’izao fotoana izao, raha efa tany amin’ny fahampanjaka sy hatramin’ny fanjanahantany no nanaovana azy farany. Nambaran’ny mpitarika ny fikambanana fa tena mpiangaly izany ny foko vezo […]




