Mois : août 2023

Fakana bahana amin’ny fifidianana : nifanotofan’ny mpanao politika Ankaramalaza

Sehatra ihazakazahan’ny mpanao mpolitika indray ny famonjena hetsika ara-pivavahana. Rakotra azy ireo ny fanokanana mpiandry tany amin’ny toby Ankaramalaza, tamin’ity herinandro ity. Samy niatrika ny fanokanana mpiandry, natao tany amin’ny toby Ankaramalaza, eo anivon’ny fiangonana FLM ireo mpanao politika, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny kandidà Ravalomanana Marc sy ny filoha […]

TSELATRA

Lehilahy lehibe dimy nosamborin’ny polisy noho ny filokana an-dalambe teto an-dRenivohitra, afakomaly. Efa nanaovana fanentanana manokana, nanohy ny filokana hatrany izy ireo. Nosamborina, taorian’izay ay hanaovana fanadihadiana. Nampaha­tsiahivin’ny polisim-pirenena fa tsy azo atao ny miloka an-dalambe. Maty voatifitry ny zandary ny dahalo roa mpangalatra omby tao Soatolakandro, fokontany Ambatotsipihina, kaominina […]

Nanolana zaza miisa roa : naiditra am-ponja ilay talen’ny EPP

Zaza roa kilasy T2 niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataona talen-tsekoly iray. Naiditra am-ponja ilay nahavanon-doza, afakomaly. Natolotra ny fampanoavana tao Ambatondra­zaka, naiditra am-ponja ny talen’ny EPP iray nahavanon-doza tamina vehivavy miisa roa, afakomaly. “Efa nataony talohan’ny fialan-tsasatry ny mpianatra miisa roa io tranga io saingy nisy fiantraikany ara-pahasalamana tamin’ny iray tamin’ireo […]