Mois : août 2023

Fandaharanasa Club des maçons: 30 mianadahy nahavita fiofanana momba ny taotrano

Notanterahina teo Ampe­filoha, tamin’ity herinandro ity, ny fanolorana mari-piofanana ho an’ireo mpanao taotrano 30 mianadahy, izay nanaraka ny fandaharanasan’ny Ce­men­tis, club des maçons. Noforonina ny fandaharanasa club des maçons hahafahana manamafy ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra eo amin’ny taotrano sy ny asa vaventy, hanome fahafahana tsara kokoa ho an’ny mpiasa ary miantoka […]

Fiarovana ny fotodrafitrasa : Fikambanan’ny mponina 18 hanolo-tanana ny CUA

Manana solontena ao anatin’ny fikambanan’ny mponina avokoa ny boriborintany enina eto an-drenivohitra hanome tolo-tanana ny mpitantana hitondra fampandrosoana eny ifotony. Ho fampandrosoana ny tanàna, mila mandray andraikitra ny rehetra fa tsy mihalangalana fotsiny eny anivon’ny fokontany misy azy. Nitombo 18 indray ny fikambanan’ny mponina eto Antananarivo Renivohitra hifanome tanana amin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Da Hopp. Ho tanterahina anio, manomboka amin’ny 8 ora alina, eny amin’ny Kudéta Urban Club, ny fampisehoana iaraha amin’ny tarika Da Hopp. Ity tarika ity izay anisan’ny namakilay ny mozika rap teto Madagasikara. Tsy miova fa ny mozika nahafantarana azy hatramin’izay ihany no entin’ny tarika hampifaliana ny mpankafy azy. Reggea […]

Kabary : hanao pao-droa ny Fi.Mpi.Ma Toliara

Hiavaka ny andro anio sy rahampitso, any Toliara ! Roa andro hamoahana andiana mpikabary roa. Anio, manomboka amin’ny 9 ora maraina, ao amin’ny Tranoben’ny ko­lontsaina sy ny serasera, Faritra Atsimo Andrefana, havoaka amin’ny fomba ma­netriketrika ny andia «Maza­valoha». Rahampitso, ma­nom­boka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, eny amin’ny Amphi Degs, […]

Teatra ho an’ny Ankizy : hiaka-tsehatra anio ireo mpiofana

Tanterahina anio, eny amin’ny EPP Antsahabe, ny fampiharana ny fampiofanana nandritra ny atrikasa teatra ho an’ny ankizy, nokarakarain’ny “Compagnie Miangaly Théatre”. Naharitra 3 herinandro ny atrikasa, ary haseho ny daholobe anio ny vokatra. Efa vonona tanteraka ny mpandray anjara amin’ity seho atao anio ity. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, hanana ny […]