Tratran’ny areti-kibo ireo maorisianina mpilalao basikety miisa telo, omaly. Hiatrika ny lalaon’ny Nosy eto Madagasikara izy ireo. Marihina fa efa eto an-toerana avokoa izy ireo, raha ny fanazavana voaray, efa voavaha ny olana ary efa salama tsara avokoa ny mpilalao. Tsiahivina fa i Maurice, miray vondrona « A » amin’i Madagasikara. Nifamotoana […]
Mois : août 2023
Fanokafana ny lalaon’ny Nosy : hakotroka ny lanonana, hitondra ny saina i Laura
Higadona anio ilay fotoan-dehibe ho an’ny tontolon’ny fanatanjahantena aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Efa tonga eto Madagasikara avokoa ireo delegasiona vahiny rehetra avy amin’ireo nosy rahavavy handray anjara amin’izany. Efa vonona tanteraka amin’ny fandraisana i Madagasikara indrindra ho an’ny lanonam-panokafana. Ankoatra ireo kabary hifandimbiasana, anisan’ny tena andrasana ireo seho sy ravaka […]
BAOLINA KITRA: fandresena voalohany ho an’ny Barea
Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, omaly, teny By Pass. Mitarika ao amin’ny vondrona “A” i Madagasikara. Isa telo avy hatrany no nalain’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar tamin’ny fifanintsanana isam-bondrona, ho an’ny lalaon’ny Nosy JIOI 2023, taranja baolina kitra ity. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 1 no ho […]
VAOVAO TAMBATRA
Mitsangana ny orinasam-panjakana hitantana ny zotra an-dalamby an-tanàn-dehibe, na ny «Société d’exploitation du Train urbain» (SETU). Mitentina 100 000 000 Ar ny renivolan’ny orinasa, ka an’ny fanjakana malagasy ny 75%, ary an’ny kaominina, CUA, ny 25%. Tokony ho efa nandeha tamin’ny tapaky ny volana teo ity zotra an-dalamby ity. Voatendry […]
Orinasa Rio Tinto: nohavaozina ny fifanarahana amin’ny fanjakana
Hita ny marimaritra iraisana eo amin’ny Rio Tinto sy ny governemanta malagasy mikasika ny lafiny hetra ho an’ny orinasa Qit Madagascar Minerals (QMM). Natao sonia, ny 22 aogositra teo, ny fifanarahana fiaraha-miasa hitrandrahana maharitra ataon’ny QMM any Taolagnaro. Anisan’ny tanjona ao anatin’ny fifanarahana ny hisitrahan’ny vahoaka malagasy bebe kokoa ny […]




