« Slam nationale 14 »: efa fantatra avokoa ireo mpandray anjara

Mivonona amin’ny « Slam nationale 14 » ny fianakaviamben’ny Slam malagasy, ao anatin’izao andro vitsy mialoha ny fifaninanana izao. Vita avokoa ny fifaninana isam-paritra, ary efa fantatra avokoa ny solontenan’izy ireo.

Tontosa ny sabotsy 2 septambra 2023 ny fifaninanana regionaly ho an’Antananarivo sy Taolagnaro, ahafahana miatrika ny fifaninanana “Slam nationale 14”. Efa nahavita ny fifaninanana avy ny faritra sy ny tanàna handray anjara amin’ity hetsika ity. Fantatra avokoa, araka izany, ny mpifaninana ho amin’izany. Miisa 20 mianadahy, avy amin’ny tanàna 10 no handray anjara. Ahitàna ny solontenan’Antananarivo, Antsirabe, Antsiranana, Antalaha, Fianarantsoa, Mahajanga, Sambava, Toamasina, Taolagnaro, Toliara. Mizara sokajy ny fifaninanana. Misy ny natokana ho an’ny mpandray anjara tsirairay avy, izany hoe, izy roapolo mianadahy no mifaninana. Misy ihany koa ny fifaninanana isaky ny tanàna, izay hitondran’ny mpifaninana ny anaran’ny tanàna niaviny.

Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra, niha tanora ny mpandray anjara. Raha tarafina amin’ny fifaninanana isaky ny tanàna kosa anefa dia hanana ny lentany sy ny haavo tekinikany ity “Slam” ity. Raha tsiahivina, ho tanterahina ny 21 septambra 2023 hatramin’ny 30 septambra 2023, eto Antananarivo, ny “Slam nationale 14”.

Mahaliana

Raha ho an’ny fifaninanana teto Antananarivo, i Tiavina Jerry sy i Rado Ravalison no misolotena ny “Madagaslam Section Tanà (MST)”. Nahatratra 30 ny mpifaninana ary tena fifaninanana avolenta tokoa no natolotr’izy ireo ny mpankafy tonga teny amin’ny IFM Analakely.
Nilaza ny mpikarakara ny hetsika fa mahaliana tanora maro ny Slam ankehitriny. Miezaka ny mitondra fanatsarana sy manao fikarohana mba hahamatihanina ny vokatra hifaninana ny mpandray anjara. Tsy ho an’ny eto an-drenivohitra na amin’ny tanàn-dehibe ihany fa mipaka hatrany amin’ny faritra samihafa ny fitiavana ny Slam.

Lin

Partager sur: