Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo, tao amin’ny Stade de France ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja Rugby, lehilahy. Tsara fanombohana ny ekipam-pirenena frantsay XV bleus, lavon’izy ireo tamin’ny isa 27 no ho 13 ny All Blacks Nouvelle-Zélande. Raha ho fintinina ny fihaonan’ny roa tonta, roa minitra nanombohan’ny lalao dia nahatondra baolina nentin-tanana ny All Blacks. Telo minitra taorian’io nefa, nahazo “pénalité” i France. Tamin’ny isa 9 no ho 8 nentin’ny roa tonta niala sasatra, resy ny All Blacks. Teo amin’ny fidirana faharoa, nanomboka ny nampiseho ny heriny ny ekipam-pirenena Frantsay, ka lasa 27 no ho 13 ny isa nentin’ny roa tonta nisarahana, nandresy i France. Ankoatra izay, nomontsanin’Irlande tamin’ny isa mavesatra, 82 no ho 8 i Roumanie, ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Matmut France. Marihina fa i Afrique du Sud, tompondaka farany tamin’ity taona 2019, nandresy an’i Ecosse, tamin’ny isa 18 no ho 3 izy ireo, omaly alahady 10 septambra lasa teo, tao amin’ny kianjan’ny Velodrome.
Fitia