DAKA AN-JORONY: Tsy lavo nitsikasina akory

Mbola loha-laharana amin’ny vaovaon’ny fanatanjahantena aloha ny mahakasika ny kianja Barea, Mahamasina. Tsy misy zavatra afenina ny amin’io fotodrafitrasa io fa miharihary toy ny masoandro be lohataona. Mahonena anefa fa misy ny manao toy ny mpamosavy malemy ka ny ao an-trano ihany no soavaliana. Manatsatso sy mamendrofendro andro aman’alina. Manao izay hahakivy ka tsy hanohizana ny tanjona kasaina hotratrarina. Mahonena, ny mahita azy ireo milomay manaratsy etsy sy eroa. Na eo aza anefa izany rehetra izany, tsy lavo mitsinkasina akory ny tomponandraikitra isan-tokony fa lavo mitehin-tanana ihany. Tsy nanao fahalavoam-boanjo ka lavo mihosim-bovoka.
Niaraha-nahalala fa nankasitraka ny zava-bita ny Kaonfederasionina afrikanina. Nankahery, amin’ny fitohizan’ny ezaka natao ka toy ny lavo teo am-pototry ny mamy ka hiharina hihinan-tantely. Ny ezaka rehetra tsy maintsy misy valiny avokoa ary ny asa atao am-pitiavana tonga hafaliana. Hafaliana ifampizarana toy ny tantely am-bavan’ny hendry.
Koa tsy ny kanto fa ny tadiavina. Tsy ny jaka fa ny lamba. Koa jaikojaikoy ny famindra, alantolantoy ny fiteny fa tsy lavo mitsikasina akory fa lavo mitehin-tanana. Samy mbola ho tsarain’ny ataony ny tsirairay.
Raha tsy somonga na sangisangy. Raha ho tena ady fa tsy sariny, dia ataovy hady vomangan’Ikirijavola, mba ho hita izay fiafarany. Raha tsy izany kosa, atsaharo ny baiko moana, sao miteny ny badalela, ka raha vaky hatrany ny vavany dia ianareo no iantsoany tody. Tsy lavo nitsinkasina akory fa lavo nitehin-tanana ihany. Koa aza hadihadiana ny fefiloha, sao sahirana eo raha vaky ny rano ka hihemotra hanao tari-dositra na hilefa tsy misy mpanenjika. Ny vava ny tsy atao be, ny mamerina azy no sarotra.

Tompondaka

Partager sur: