Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja lomano, ho an’ny dobo filomanosana 25 m, omaly, teny amin’ny Essca Antanimena, ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, (MJS), Marson Moustapha Abdulah. Nilaza ny tenany fa vonona ny fitondram-panjakana hanohana ny taranja sy ireo atleta izay miaro ny voninahi-pirenena, araka ny toromarika efa napetraky ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Ankoatra izay, hisy koa ny fanavaozana ny dobo filomanosana any Toamasina ary hanamboarana dobo filomanosana olympika lehibe indrindra eto Madagasikara, any Mahajanga. Araka ny filazany, efa mizotra tsara ny asa any an-toerana ary hisy ny fitsirihana hatao ny 8 marsa ho avy izao, any an-toerana. Ankoatra izay, hojerena manokana ny dobo filomanosana 25 m eto an-drenivohitra, satria vitsy no manana izany, ka hisy ny fifampiresahana eo amin’ny MJS sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), mahakasika ny toerana hananganana ity tetikasa ity. Niarahaba manokana ny Federasiona malagasin’ny lomano, ny minisitra, noho ny fikarakarany ny taranja hatramin’izao, ary nohamafisiny fa misokatra ho an’ireo federasiona rehetra ny varavarana ao amin’ny minisitera. Tsiahivina fa miisa 457 mianadahy ireo atleta mandray anjara, avy amin’ny klioba 27, anatin’ireo ligy fito, mandrafitra ny federasionina dia Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Vatovavy, Boeny.
Fitia Randria




