Notanterahina, omaly, teny amin’ny kianjan’i Betongolo, ny fankalazana ny faha-40 taonan’ny Club Omnisports des Forces Armées (Cosfa). Anisan’ireo klioba namoaka atleta maro niaro ny voninahi-pirenena tamin’ny lalaon’ny Nosy izay natao teto amintsika ny 25 aogositra-3 septambra lasa teo ity klioba ity. Araka izany, nanolotra mari-pankasitrahana sy fanohanana ireto Malagasy atleta ireto ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny jeneraly Rakotoarijaona Josoa, nandritra io lanonana io.
Tsiahivina fa nahazo medaly volamena 28 sy volafotsy 14 ary alimo 11 ireo atletan’ny Cosfa tamin’ny lalaon’ny Nosy 2023 teo.“Iray tsy mivaky ny Foloalindahy”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Tonga nanotrona ny lanonana tao ihany koa ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, izay notarihin’ny jeneraly Ramasy Heritiana, sekretera Jeneralin’ny minisitera, sy ny firaisamben’ny Etamazaoro, tarihin’ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, lehiben’ny Etamazaoro jeneraly. Ankoatra izay, nahazo fanasana tamin’ity lanonana ity ihany koa ny Governoran’ny faritra Bongolava, ny jeneraly Ramiaramanana Joseph.
Fitia