Fifidianana filohan’ny FMF : tsy mbola nisy kandidà tonga nanatitra antontan-taratasy

Hatramin’izao, tsy mbola misy mitonona ho kandidà hifaninana ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nambaran’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana fa tsy misy na iray aza tonga nanatitra ny taratasy filatsahany.

Raha tsy misy fiovana farany, amin’ny alakamisy 14 septambra amin’ny 6 ora hariva no hifarana ny fandraisana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho an’ny toeran’ny filohan’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nambaran-dRala­varisoa Beby Fabienne, filohan’ny Vao­miera mahaleo tena misahana ny fifidianana eo anivon’ny federasiona, omaly, fa hatramin’izao, tsy mbola misy mitonona ho kandidà ary tsy misy tonga nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina. Ambaran’ireo mpamakafaka manokana ny baolina kitra fa mbola misy ny fifampidinihana amin’ireo etamazaoro samihafa sy ny ankolafin-kery isan-tokony ary indrindra ireo mpanohana ny amin’izay ho kandidà. Voalazan’ireo mpandinika ihany koa fa tsy maintsy hanana olona hatolony koa ny fitondrana. Na eo aza izany vinavina izany, efa misy ihany anarana re sy heno mandeha any anaty tambajotran-tserasera sy eny anivon’ny mpitia baolina kitra eny fa hifaninana amin’ity toeran’ny filohan’ny Federa­siona malagasin’ny baolina kitra ity. Anisan’ireny, Andria­ma­nampisoa Alfred, filoha lefitry ny federasiona amin’izao fotoana izao. Eo koa Rakoto­malala Stanislas, sekretera jeneralin’ny Club de Football Elite de Madagascar (CFEM), raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Tsiahivina fa ny 26 septambra ho avy izao no hanambaran’ny vaomiera manokana misahana ny fifidianana amin’ny fomba ofisialy ireo kandidà nahafeno ny fepetra na ho an’izay hifaninana ho filohan’ny federasiona na ho an’ireo izay mirotsaka ho komity mpanatanteraka.

Tompondaka

Partager sur: