Kitra – «Ligue des champions D2 National» : Ekipan’Atsimo Andrefana 2 miray vondrona

Hotontosaina ny 15 ka hatramin’ny 24 septambra ho avy izao, ny dingana faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakam-pirenena “Ligue des champions D2 National”, taranja baolina kitra. Maha­janga sy Vakinankaratra no toerana hampiantrano izany. 12 ireo ekipa hiady lohany amin’izany, hozaraina ao anaty vondrona roa.
Miaraka sokajy, ny GJFT Betania sy ny AS JFC samy avy any amin’ny ligin’Atsimo Andrefana. Hilalao any amin’ ny kianjan’Antsirabe izy ireo ary hiaraka amin’ny FC Inate, tompon-jaridaina. Hifampitana amin’izy ireo koa ny Jet Bon­golava, anisan’ny ekipa mison­gadina amin’izao fotoana izao. Heverina fa ho sokajin’ny fahafatesana, ny misy azy ireo.
Hangotraka ihany koa ny fihaonana any Mahajanga satria tafaraka any ny 3FB Alaotra Mangoro sy ny FC Zoya Boeny. Tombanan’ny maro fa mety ho izy ireo no ho tafavoaka any.
Tsiahivina fa tafita hiatrika ny “Poule des As”, ireo ekipa roa voalohany isam-bondrona.

Tompondaka

Vondrona “A” – Kianja Boeny
1-FC Zoya (Boeny) ; 2-KFCA (Diana) ; 3-Espoir (Betsiboka) ; 4-3FB (Alaotra Mangoro) ; 5-TGBC (Antsinanana) ; 6-AS 3 A (Amoron’i Mania)

Vondrona “B” – Kianja Antsirabe
1-GJFT (Atsimo Andrefana) ; 2-FC JSA Level (Ihorombe) ; 3-FC Jim (Androy) ; 4-FC Inate (Vakinankaratra) ; 5-Jet (Bongolava) ; 6-AS JFC (Atsimo Andrefana)

Partager sur: