Nampakatra avo ny lazan’i Madagasikara taty Afrika indray ny taranja tenisy ambony latabatra. Voahosotra ho tompondaka mantsy ny ekipa olon-droa miaraka, lehilahy, nahitana an’i Antoine sy i Fabio. Fifaninanana, natokana ho an’ny sokajy “senior” lahy sy vavy.
Nifarana omaly alahady tao amin’ny efitrano Omnisport de Rades, Tunisie, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy ambony latabatra, sokajy “senior” lahy sy vavy. Anisan’ireo firenena niatrika izany i Madagasikara. Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy satria voahosotra ho tompondaka ny olon-droa miaraka lehilahy ary nandrombaka ny medaly volamena, tamin’ny alalan-dRakotoarimanana Fabio sy Razafinarivo Antoine.
Resin’izy mirahalahy teo amin’ny famaranana, tamin’ny seta 3 no ho 2, ireo tonizianina mirahalahy, nisy an’i Youssef Ben Atti sy i Aboubaker Bourass Mohamed El Beiali sy i Ahmed Saleh. Niady hatramin’ny farany ny fihaonana teo amin’ny roa tonta satria nifandimbiasana ny nahazo seta. Vokany, sahala 2 sy 2 ny seta ka teo amin’ny fahadimy vao nivoaka ho mpandresy ny Malagasy.
Raha tsiahivina, tsy nisy nandresy mihitsy izy mirahalahy nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatramin’ny famaranana. Ireo nizerianina, i Taiwo Mati sy i Amadi Omeh, no lavon’izy mirahalahy tamin’ny manasa-dalana. Tsy niady mihitsy ny fihaonana satria nisaraka tamin’ny seta 3 no ho 0 ny roa tonta.
Nahazo lelavola dolara izy mirahalahy
Noho io vokatra azon’i Fabio sy i Antoine io, nahazo lelavola 2 000 dolara na 40 284 288 000 Ar izy mirahalahy. Marihina fa mijanona ho anaram-boninahitra fotsiny ihany ity azon-dry zalahy ity fa tsy hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany akory.
Etsy ankilany kosa, nahazo ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, ny isan-tarika misy an’i Fabio sy i Antoine ary i Setra. Fihaonana, hotanterahina any Busan, Korea Atsimo, ny 24 mai ka hatramin’ny 2 jona 2024.
Ny laharana fahadimy azon’i Madagasikara no ahafahana mandray anjara amin’io “Mondial 4 ème division” hatrehin-dry zalahy io.
Tsiahivina fa efa nandrombaka ny medaly volamena ihany koa ny isan-tarika sy ny olon-droa miaraka, lehilahy, nandritra ny lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra lasa teo.
Tompondaka