Rafidimanana Désiré : « Matahotra an-dRajoelina Andry ireo kandidà 11 »

“Fahatahorana ny filoha teo aloha no mahatonga ireo kandidà hirotsaka hofidina ho filoham-pirenena mitambatra amin’izao fotoana izao”, hoy ny filohan’ny Antoko miandrandra ny hoavy (THM), Rafidimanana Désiré, tetsy Mahamasina, ny zoma lasa teo. Nilaza izy fa fanakorontanana saim-bahoaka mba tsy hisian’ny fifidianana sy hidirana anatin’ny Tetezamita eto amin’ny firenena ny tanjon’izy ireo amin’izany. « Aleo handeha ny fifidianana satria tokony ho vonona ny hiatrika ny zava-misy rehetra ireo kandidà matoa nilatsan-kofidina», hoy izy. Ankoatra izay, efa ela ny mpanohana ny filoha teo aloha, sy ny Antoko miandrandra ny hoavy no vonona hanohana ny kandidà Rajoelina Andry sy hampandresy azy. «Mbola miandrandra izany ihany koa ny vahoaka malagasy ankehitriny na dia teo aza ny sakantsakana sy ny krizy samihafa ary ny aretina nisy teto amin’ny firenena », hoy hatrany izy. Nambarany koa fa nahafeno ny fepetra ny kandidà Rajoelina Andry matoa neken’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny firotsahany.

Mino

Partager sur: