Fiatrehana fifidianana : nikaton-trano tetsy Ambohidahy ireo kandidà sy ny HCC

Tonga namaly ny antso sy ny fanasana nataon’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly maraina, ireo kandidà miisa 10. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany.

Tsy azo natrehin’ny mpanao gazety ary nambenan’ny mpitandro filaminana mafy ny fidirana tetsy amin’ny Lapan’ny HCC Ambo­hidahy nandritra izany. Miisa 10 ireo kandidà tonga niatrika ny fihaonana tamin’ny HCC ity. Tsy niatrika izany kosa ny kandidà fahatelo, Rajoelina Andry sy ny faha-11, Radera­niaina Daniela Sendrison ary ny faha-13, Randrianasolo­niaiko Siteny.
Tsy misy nanao fanambarana iombonana na fanehoan-kevitra iraisana avy amin’izy rehetra, taorian’izany fihaonana izany. Tsy niloa-bava tahaka izany koa ny mpitantana eo anivon’ny HCC.
Na izany aza, tombanana fa anisan’ny voaresaka tao ary tsy azo ihodivirana ny momba ny hiatrehana ny fifidianana. Ny momba ireo fitakiana sy ny tsy fanekena nataon’ireo kandidà 11 amin’ny zom-pirenen’ny kandidà iray sy ny famindram-pahefana, nomena ny governemanta ifandrombonana fa tsy tany amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona. Eo koa ny fitanilana amin’ny tsy fahazoana mamory vahoaka na koa tsy fahafahana maneho hevitra an-kalalahana. Ni­se­ho izao fihaonana izao, taorian’ireo dingana samihafa na­taon’ireo kandidà 11 ka nihaonan’izy ireo amin’ny solontenan’ny Pnud sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena amin’ny alalan’ireo firenen-dehibe miisa fito ary koa ny eo anivon’ny Sadc, amin’ny alalan’i Afrika Atsimo.
Etsy andaniny, samy ma­netsika ny mpomba azy amin’ny alalan’ny fanambarana etsy sy eroa ireo miara-dia amin’ireo kandidà 11 sy ny mpiandany amin’ny kandidà fahatelo.

Synèse R.

Partager sur: