Raheriharijaona Regina Clarisse: sarotra ny fahazoana ny Palais de sport Mahamasina

Nisy fahatarana ny fanatanterahana ny fifaninanana nasionaly, noho ny fikarakarana ny lalaon’ny Nosy farany teo. Hotanterahina any An­tsiranana ny 13 oktobra ho avy izao izany. “Sarotra ny fahazoana ny Palais de sport etsy Mahamasina satria efa samy mangataka izany avokoa ny rehetra mikasa ny hampiasa, enim-bolana mialoha”, hoy ny filohan’ny Fe­derasionin’ny handball malagasy, Raheriharijaona Re­gina Clarisse, raha nanontaniana tetsy Antaninarenina.
Porofon’izany, ny fanatanterahana ny lalao handball teny amin’ny kianjan’i Von­tovorona nandritra ny lalaon’ny Nosy farany teo. “Antom-pisian’ny federasionina tsirairay ny fahafahana manatanteraka sy manatontosa ny fifananinana nasionaly sy rezionaly ary anisan’ny hitsarana azy ireo izany”, hoy hatrany izy. Eo am-panomanana ny coupe de président, hatao ny volana novambra izy ireo, ka mbola tsy fantatra raha hahazo ny Palais de sport na tsia, raha ny fanazavana. Notan­terahina tetsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena, ny 28 sept – 01 oktobra teo, ny fifaninanan’ny ligin’Analamanga. Hiatrika fifaninanana nasionaly any Antsiranana, ny 13 oktobra ho avy izao, ireo ekipa tafakatra aorian’io lalao io.

Mino

Partager sur: