« Cosafa Cup »: hifanandrina i Madagasikara sy i Malawi

Hotanterahina, anio, any Afrika Atsimo, ny andro faran’ ny fifanintsanana isam-bondrona ho an’ny groupe “A”, amin’ity Cosafa Cup, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, ity. Hihaona amin’i Malawi i Madagasikara amin’izany. Tsy tafita amin’ny dingana manaraka intsony i Madagasikara fa ady voninahitra sisa no ataon’izy ireo amin’izany.
Faharesena roa no azon’izy ireo, ny 4 oktobra lasa teo, lavon’i Eswatini tamin’ny isa 2 no ho 1, nandritra ny andro voalohany. Resin’i Afrika Atsi­mo, mpampiantrano, 3 no ho 1 teo amin’ny andro faharoa, ny Malagasy. Ny ekipam-pirenen’i Malawi, anisan’ireo sangany amin’ity fifaninanana ity. Nanamontsana an’i Eswatini tamin’ny isa 0 no ho 8 izy ireo ny alahady lasa teo. Azo heverina ho toy ny famaranana ihany izy ity, tsy maintsy hitady fandresena ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea de Madagascar.
Marihina fa ity fifanintsanana ity, nanomboka ny 4 oktobra lasa teo ary hifarana ny 15 oktobra. Tsara ny mampahafantatra fa ny 14 oktobra ho avy izao, eto Antananarivo, hisy ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Miisa dimy ireo kandidà nirotsaka hofidina amin’izany. Hatramin’ izao fotoana izao, tsy fantatra ny tena toerana hanaovana izany eto an-drenivohitra.

Fitia Randria

Partager sur: