Kitra: milalao ao amin’ny ekipa “6ème division” frantsay Rakool

Mandalo eto an-tanindrazana Razafindranaivo Koloina (Rakool), mpilalao baolina kitra tao amin’ny Barea “Chan”. Nambarany fa tsy any amin’ny Olympique de Marseille izy fa ao amin’ny Athletic Club Arlesien, (régionale 1) Frantsa.

Gazety Taratra (*) : Rakool, tena milalao baolina any Frantsa tokoa ve ianao ?
Koloina R (-) : Ao amin’ny Athletic Club Arlesien, Re­gional 1 aho no milalao fa tsy araka izay voalaza hoe any amin’ny Olympique de Mar­seille. Ekipa any amin’ny tapany atsimon’i Frantsa.

* Ahoana no fomba nandehananao tany Frantsa?
– Ry zareo ao amin’io klioba io no niantso ahy, sady Malagasy ny mpitambolan’ny klioba. Tamin’ny alalan’ny “visa touristique” ny nandehanako tany Frantsa. Nanao fitsapana ary ankehitriny efa vita izany ka nahazo fifanarahana herintaona, haharitra hatramin’ny 30 jona 2024. Efa mandray karama ary efa na­havita fihaonana ofisialy miisa 2. Nahatafiditra baolina 4, tao anatin’izany.

* Mandalo eto an-tanindrazana ianao, ankehitriny. Inona no antony?
– Tonga tamin’ny sabotsy teo aho. Hanavao ilay “visa” satria efa tapitra ka hangataka mba hatao “visa long séjour” ilay izy mba hampilamina tsara ny fipetrahako any Fran­tsa. Iny koa ny hahazoako taratasy fahazoan-dalana miasa. Izay sisa tsy vita fa ny taratasy fifindran-toerana avy any amin’ny Mouloudia, efa milamina daholo.

*Rahoviana ianao izany no hiverina any Frantsa?
– Raha ny sitrapoko, alohan’ity faran’ny volana oktobra ity saingy miankina amin’ny famalian’ny ambasady fran­tsay ilay “visa” vao afaka manainga. Ny fifaninanana any an-toerana rahateo efa manomboka.

*Ny vady aman-janakao ve tafiditra ao anaty fifanarahana?
– Tafiditra saingy mbola misy raharaham-pianakaviana ataony eto Madagasikara dia mbola mijanona eto aloha izy mianaka fa mbola handeha ihany koa.

Dinika nangonin’i Tompondaka

Partager sur: